Nandritra ny resaka natao tamin’ny tompon’andraikitry ny CNLS, omaly no nahafantarana fa misy olona 1.000 vaovao heverina ho mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Manentana ny olona amin’ny fanaovana fitiliana sy ny faharetana amin’ ny fihinanana fanafody izy ireo mba hanamora ny fanaraha-maso ny fahasalamana.
Miisa 10 837 ihany koa ireo olona lahy sy vavy efa voatily ary voaporofo fa mitondra ny tsimokaretina ankehitriny. Ny 10.387 amin’ izy ireo no mihinam-panafody ary voaara-maso akaiky ny fivoaran’ny fahasalamany.
Nilaza ny tompon’andraikitry ny CNLS fa tsy ampy ny vola enti-miasa amin’ny ady amin’ny Sida ka mety mahatonga ny fitarainan’ireo marary sasantsasany.
Mbola mampisalasala ny olona ny firosoana amin’ny fanaovana fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida amin’ny tany andalam-pandrosoana. Tahotry ny hahafantatra ny vokatry ny fitiliana. Eo koa ny tsy mbola faharesen-dahatra amin’ny fisian’ny aretina na dia efa maro aza ny fanentanana atao. Fitiliana tsy maintsy hataon’ireo reny bevohoka mandritra ny fisafoana hatao kosa anefa ny fijerena ny tsimokaretina VIH/Sida.
Tatiana A