Ben’ny tanàna teo aloha matin’ny dahalo : mitaky ny hamerenana ny omby 95 ny fianakaviany

Mitaky ny hamerenana ny omby 95 nangalarin’ny dahalo ny fianakavian’ny ben’ny Tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina Ampamata, omaly. Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana ny alin’ny zoma 20 septambra teo, io ben’ny Tanàna teo aloha io. Noro­bain’ny dahalo ny ombiny mitotaly 95 niampy omby ta­min’ny fokontany hafa. “La­san’ireo olon-dratsy koa ny omby tany amin’ny fokontany Tsimirimbona sy ny tanàna hafa anatin’ny distrikan’Anta­nimora Atsimo”, hoy ny fanavazan’i Mahalano Jean Noel, izay zandrin’ny maty. Nanao “opération” manokana ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana taorian’ny nahafatesan’ny miaramila telo lahy. Nidina an-tsehatra nandefa ny angidimby sy nanampy isa ireo mpitandro filaminana miantsehatra an-kianja ny OMC. “Nangataka solotena avy aminay fianakavian’Itom­pokolahy izy ireo hanoro ny toerana nahafaty ireo miaramila sy ny toerana nitondran’ireo dahalo ny omby”, hoy hatrany ny fanazavana. An­kehitriny, nahatafaverina omby 1 200 avy amin’ireo dahalo ny mpitandro filaminana any an-toerana. “Tsy misy amin’ireo 1200 azon’izy ireo io anefa ny ombin’i ex-Maire”, hoy ny zandriny. Araka ny fomban’izy ireo kosa, mila omby 36 handevenana ny maty. “Mangataka ny manam-pahefana mahefa isan’ambaratonga izahay fianakaviany mba hanomezana ny omby 95 amin’ireo omby 1200 ireo handevenanay ny havanay”, hoy hatrany i Mahalano Jean Noel.

Tsiferana R.

Partager sur: