Ho an’ny vahoaka

 

“Ho an’ny Tanindrazana” ny teny filamatry ny Foloalindahy. Miaro ny fiandrianam-pirenena sy ny tanindrazana izany, ny andrimpanjakana sy ny mpitondra, ny vahoaka sy ny fananany… Tsy hoe “Ho an’ny vahoaka” kosa ve, ohatra, ny teny filamatry ny olom-boafidy? Eny, na izay olom-boatendrin’ny olom-boafidy aza. Ny vahoaka no loharanom-pahefana. Mpindrana fahefana ireo olom-boafidy. Nisy fifanarahana sosialy mazava tamin’ny alalan’ny fifidianana ny amin’izany: hanatanteraka ny fanamby sy fampanantenana nandresen-dahatra vahoaka tamin’ny fampielezan-kevitra. Mila manara-maso sy saro-piaro ny amin’izany ny vahoaka: mby aiza?
Tsy nisy nampanantena tsy fandriampahalemana, ohatra, na fidangan’ny vidim-piainana, na tsy fisian’asa, na jiro sy rano tapaka lava… Izany no misy sy iainan’ny vahoaka amin’izao? Mila mandini-tena sy mikofokofoka izay nampanantena fampandrosona, fanatsarana fiainam-bahoaka… Ho avy indray izao ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna: handeha ho azy ny fampanantenana, ny fandresen-dahatra amin’ny fomba rehetra… Hanao ahoana? Na ny valim-pifidianana, ny fanatanterahana asa… Mila tomponandraikitra: milaza izay ataony, manao izay lazainy. Tsy maika ny ho voafidy na hanao fanamby politika fotsiny ho izao na izatsy izany.
Na izany aza, mila andraikitra sy fahamatorana koa ny vato halatsaky ny olom-pirenena. Mba safidina tomponandraikitra izany, voadinika, hasiana fanaraha-maso, mitsinjo lavitra… Mamita-tena na lasa tohatra fiakarana fotsiny raha diso safidy? Izay no maha zava-dehibe ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Tena manakaiky vahoaka. Dieny izao, ilaina ny fanaraha-maso sy fandinihana: iza no izy, avy aiza ka ho aiza na haninona… ? Na hita amin’ny efa nataony izay ho an’ny vahoaka.

R. Nd.

 

Partager sur: