Hatao ny 23 novambra izao, eny amin’ny
Henri Fraise Ankorondrano, ny fifaninanana Tournament, -71 kg sy -60 kg, taranja Muay Thaï. Mety hisy ihany koa ny ady ho an’ny sokajy maherin’ny 100kg raha ny fandaharam-potoana efa heno.
Nitohy ny faran’ny herinandro teo, rehefa nisy fiatoana kely, ny fifaninanana “Fety de Basikety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B Andraisoro. Lalao miisa 20 mahery no tontosa ny sabotsy sy alahady teo.
Hanomboka ny 16 oktobra izao, any Tanzanie, ny “Road to Bal”, taranja basikety. Efa nanainga ny sabotsy teo ny ekipa hisolotena ny Malagasy, ny GNBC. Haharitra hatramin’ny 20 oktobra ity fifaninanana ity.