Tsy mitsahatra ny mivoatra ny klioba Challengers eo amin’ny tontolon’ny ping-pong eto an-toerana. Vao 8 volana nitsanganana, efa nahavita dingana goavana. Namoaka mpilalao nandrombaka ny tompondakan’i Afrika Atsinanana 2024 izy ireo.
Miroborobo ny fananganana ekipa eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Anisan’ireny ny Challengers eo amin’ny taranja Ping-pong. Klioba mifaninana ao anatin’ny ligin’Analamanga, tarihin’Andriantahina Fara Tina, raiamandreny no sady mpilalao tsotra. «Ny fitiavanay 5 mianaka no nanosika ahy hanangana ny klioba. Isaoraka manokana eto ny vadiko manampy sy mifanohana amiko amin’izany», hoy izy.
Na klioba zandriny indrindra aza ny Challengers, efa mipetraka eo amin’ny tontolon’ ny ping-pong ny anarany.
Porofon’izany ny fananany mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena toa an-dRazafindralambo Lino sy Razafimahatratra Rotsy ary efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana farany teo. Raha tsiahivina, voahosotra ho tompondaka ny ekipa lehilahy tamin’izany. Teo amin’ny vehivavy, nandrombaka ny medaly alimo ka tao anatin’izany i Tina Gracia sy i Fara Tina Jaoferson. Tsy latsa-danja koa ny teo amin’ny sokajy zandriny U15, nandrombaka ny medaly alimo ka mbola niambozona izany i Tina Gracia.
Ahitana ny sokajy lehibe sy kely ny Challengers ka 1 avy ao amin’ny N1A sy N1B. 3 avy ny «1ère série», lahy sy vavy. Misy mpilalao 1 avy koa ny benjamin, minime lahy, ny cadette sy junior vavy ary ny vétéran +40 ans, lahy sy vavy. Tanjon’ny Challengers ny mbola handrombaka ny tompondaka maneran-tany. Na eo aza ny zava-bitan’ny Challengers, mipetraka ho olana ho azy ireo ny tsy fananana kianja malalaka hanaovana fanazaran-tena miaraka. «Tsy natao ho sakana izany ary tsy hatao hahakivy fa apetraka foana ny tanjona sy ny paikady hanatrarana ny tanjona», hoy i Fara Tina. Hafatra ihany koa ho an’ireo tanora tia ping-pong rehetra.
Tompondaka