Anisan’ny tena marefo amin’ny doro ala ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Nohamafisina ny fiarovana amin’ny afo sady nampitaovana ny mpisafo ala.
Toerana saro-pady amin’ny afo ny any Mahajanga, toy ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Nanolotra fitaovana sy kojakoja ho an’ny mpisafo ala ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, i Max Andonirina Fontaine, ny zoma 11 oktobra teo. Nofanina mahakasika ny ady amin’ny afo ny mpisafo ala ary notolorana fitaovana maro isan-karazany hiarovana amin’ny afo, toy ny kojakoja (akanjo, aroloha, kiraro, aro tanana, …) fiaro manokana hiatrehana ny afo. Nahazo ny fitaovana entina manara-maso ny fambolen-kazo sy ny kojakoja fampiasa andavanandro ihany koa ny VOI sy ny fokontany. Nankasitrahin’ny minisitra ny ezaka rehetra ataon’ny rehetra hiarovana ny valanjavaboahary, indrindra ny ady amin’ny afo, izay tsy mora ny miatrika azy. Mitantana ny alan’Ankarafantsika ny Madagascar National Parks (MNP), miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka maro. Misy toerana manokana fanaraha-maso ny afo manaraka ny teknolojia vaovao, ahafahana mandray fepetra haingana raha sanatria misy tranga na misy afo.
Saribao ekolojika
Ankoatra izany, mampidi-bola azo ivelomana tsara ny seha-pihariana amin’ny famokarana saribao ekolojika, miaro ny tontolo iainana sady fitantanana maharitra ny ala. Olon-tsotra sy fikambanana maro no resy lahatra ka nahazo fiofanana amin’ny fanamboarana azy ity any Mahajanga. Natolotry ny minisitry ny Tontolo iainana, i Max Andonirina Fontaine, azy ireo ny 11 oktobra teo ny mari-piofanana.
Mbola malalaka ny tsena sady tsy sarotra tadiavina fa eto an-toerana ihany ny akora fototra ampiasaina, toy ny vovoka saribao, ny bozaka, ny tain’omby, ny tanimanga, sns.
Njaka Andriantefiarinesy