Tsy ahitana vokatsoa

 

Nahavelombolo ny fahafahan’i Madagasikara nisehatra amin’ny kianjaben’izao tontolo izao, ankehitriny. Tena nahasodoka ny ezaka vita tamin’ny raharaham-bahiny. Nihazakazaka ny fifanarahana ara-bola sy ny tontolon’ny fandraharahana. Betsaka ny vonona hampiasa vola sy hizara ny fahaiza-manaony. Nahakasika sehatra sy sokajin’olona maro izany. Ny vokatra sisa andrasana!
Milofo fatratra mitady izay azo raisina ny tomponandraikitra. Ny indrokely, toa mahavery hasina ilay maha izy azy ny tena indray izany. Nivadika kisarina firenena ho mpangata-dava. Tsy sanatrian’ny vava ho malailay fonosana fa misy mihitsy ny vondrona na fikambanana iraisam-pirenena, na firenena vahiny, mihevitra fa zatra ilay mihinan-kely toy izay mandrifotsy ilay Malagasy.
Misy dia ny vola sy ny fanampiana homena aza kely noho ny fandaniana hoenti-mizara izany. Mahavarina ny mahita fiaramanidina sy fiara tsy mataho-dalana mirentirenty kanefa vonjy tavanandro sy zara fa misy vokany ny an’ny sasany. Mampanongo tena ny zava-misy avy amin’ ny faritra. Am-polo taonany eo ihany ny tetikasa an-tapitrisany vola vahiny, fa ilay toe-java-misy tsy mba misy mivoatra na voavaha.
Manahirana ny miresaka fa tiana hisintonana lakolosy, anio, dia ny mba fahatsapan-tena avy amin-dRamalagasy. Tena zary ataon’ny sasany toeram-pikaramana ahazoana famatsiam-bola sy tetikasa tsy ahitam-bokany ilay Madagasikara. Miainga avy amin’ny mpitondra fanjakana ny fananana hambom-po. Sady efa bokan-trosa isika no mbola tsy mpahazo tombontsoa. Matetika miverina any amin’ny mpanome vola hatramin’ny renivola izay voalaza fa nomena na nindramina aza.
Tsy misy tombony ho an’ny vahoaka malagasy veli­vely izay vola mihodina eto. Ny serasera no mipoapoaka eny am-panaovana sonia fa ny vokatsoa tsy mipaka any an-tranon-dRamalagasy.

r.r

Partager sur: