Mitohy ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Miasa andro sy alina ny orinasa manatanteraka azy ireny. Hovitaina amin’ity herinandro ity ny eny amin’ny fihodinana « rond point » Ampasika, mankany Itaosy. Anisan’ny efa vitan’ny orinasa Magic, ny alahady alina teo, ny mifanandrify amin’ny hotely Etoile Rouge, mitohy eny amin’ny fivarotan-tsolika Jovena. Nijery ny fizotry ny asa ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo.
Tsiahivina fa efa nanomboka tato anatin’ny 2 herinandro ny eny Ampandrana Route Circulaire. Mandeha koa ny eny Ankorondrano sy La City Ivandry. Natao « béton » ny eny Ambodin’Isotry Tsena. Efa natomboka ny eny Namontana, ny sampanan-dalana mankany Ankatso. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ireo ny MTP, ny CUA ary ny faritra Analamanga. Miisa 20 ny ampahan-dalana harenina eto an-dRenivohitra. Famatsiam-bola avy amin’ny Fidiram-bola anatiny ao amin’ny fanjakana (RPI).
Njaka A.