Fisitrahana herinaratra : mitaky famatsiam-bola hatrany amin’ny 7 miliara dolara

Mitentina hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny famatsiam-bola ilain’i Madagasikara hampakarana ny tahan’ny fisitrahana herinatra ho an’ny vahoaka. Vina ny hampakarana izany ho 70% hatramin’ny taona 2030.

Mahatratra hatrany amin’ny 7,3 miliara dolara ny fampiasam-bola ilain’i Madagasikara hahafahana mamatsy herinaratra ho an’ny vahoaka malagasy. Vina ho an’ny taona 2030 ny hampiakarana ho 70% ny fisitrahana ny herinaratra ka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny 40 % amin’izany. Tafakatra hatrany amin’ny 24,4 miliara dolara kosa ny fampiasam-bola iatrehana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, hatramin’ny taona 2030. Voaresaka ireo nandritra ny dinika niarahana tamin’ny fitondram-panjakana sy ny mpampiasa vola ary ny sehatra tsy miankina momba ny fampiasam-bola ilaina iatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, omaly, teny Alarobia. «Andrasan’i Madagasikara amin’izao ny ahafahana mamondrona ny hery ho an’ny fampiasam-bola sy ny fitadiavam-bola ilaina amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarini­rinarison Rindra Hasimbelo.

Tanjona
Tanjona ao anatin’ny dinika natao ny hanampian’ireo mpamatsy vola an’i Madagasikara, hanatanterahina ireo vinam-panjakana sy ny tetikasa samihafa. Ankoatra izay, mila hatsaraina ny lalàn’ny famoahana vola ao anatin’ny fotoana fohy. Miadana sy mandalo dingana samihafa, hoy ny minisitra, ny famoaham-bola vahiny hamatsiana ireo tetikasa tokony hotanterahina. Misy, araka izany, ny didim-panjakana napetraka hanatsarana ny fitantanana ireo vola azo avy any ivelany. Hita taratra ankehitriny ny vahaolana hanafainganana ny famoaham-bola raha toa ka naharitra ela izany teo aloha.
Marihina fa anisan’ireo firenena marefo sy lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara ka mampitarazoka ireo fandaharanasa sy fampirobororoboana ny toekarena.

Henintsoa Hani

Partager sur: