vidin-tsolika: mitaky fepetra maro

« Maro ireo teboka lehibe tsy maintsy apetraka mialoha ny fampiakarana ny vidin-tsolika, toy ny lafiny ara-tsosialy, ny toekarena ary ny zava-misy amin’ny ankapobeny », hoy ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, omaly, nandritra ny dinika niarahana tamin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, teny Alarobia. Fizotra ara-teknika, hoy izy, no natao ny volana mey teo ary mbola anatin’ny dinika momba izany ny mpisehatra voakasika rehetra.
Ankoatra izay, nambarany fa mahatratra 200 tapitrisa Ar ny vidin’ny gazoala sy ny solika mavesatra hampandehanana ny herinatra mandritra ny efatra ora. Tafakatra hatrany amin’ny 7 miliara Ar kosa izany ao anatin’ny iray volana. Noho izany, mijery sy mandinika ny fahafaha-manao izany ny Jirama. Marihina fa mahatratra hatrany amin’ny 40 MW ny tsy fahampian’ny herinaratra manoloana ny 250 MW filana andavanandro. Na izany aza, mandroso vahaolana amin’ny fanaovana orana artifisialy ny Jirama rehefa feno ny fepetra. Eo koa ny fananganana ny toby mpamokatra herinaratra eny Ambohimanambola, manana tanjaka 105MW.

Lamina

Asa goavana ny fitaterana ireo milina vaventy mianga avy any Toamasina mamonjy an’Antananarivo. Hojerena manokana ny vahaolana satria milanja 70 taonina ny iray amin’ireo milina, raha 40 taonina monja ny vesatra zakan’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Misy, noho izany, ny lamina ara-teknika iarahan’ireo minisitera voakasika.
Vahaolana lavitr’ezaka hamahana ny olan’ny fahatapahan-jiro eto amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) ny fanitarana ny tohodranon’Andekaleka. Afaka hitahiry rano hatrany amin’ny 400 000 000m3 ny fotodrafitrasa hatsangana.

Henintsoa H.

Partager sur: