Mpandraharaha avy any Emirats: hisehatra amin’ny hotely lehibe sy sakafo

Nihaona tamin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha, ny mpandraharaha avy any Emirats Arabo Mitambatra (EAU), Emmar Mohamed Al Abbar. Nilaza ny Filoham-pirenena fa fanta-daza maneran-tany amin’ny fandraharahana izy, indrindra ny lafiny fizahantany sy zavatra hafa maro. Maro ny fampiasam-bola nataony maneran-tany, toy ny nanovana an’i Dubai. Koa, voninahitra ho an’ny Malagasy izany, entina hanovana ny firenena, amin’ny fambolena, indrindra ny fizahantany. Ilaina ny fotodrafitrasa, toy ny hotely lehibe, hatramin’ny nisian’ny zotra mivantana Antananarivo sy Dubai. « Mino sy manantena aho fa ao anatin’ny ezaka rehetra isika », hoy ihany izy.
Nambaran’i E.Mohamed Al Abbar, fa manana rohim-pihariana amin’ny lafiny hotely lehibe ny orinasany, mikendry ireo mpanjifa avo lenta manokana. Horaisina matotra ny fahaizan’ny Malagasy mandray vahiny. Eo koa ny orinasa goavana misehatra amin’ny sakafo. Anisan’izany ny seha-pihariana amin’ny fary sy ny siramamy, ny vary, sy ny sakafo hafa. Manampy ireo ny lafiny fotodrafitrasa, toy ny fanamboaran-dalana, ny famokarana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro, sns.

Njaka A.

Partager sur: