Taratra ny kanto

Tanterahina ao amin’ny Salle Albert Camus, IFM Analakely, anio tolakandro, ny fampisehoana “152ème Concert classique de Midi”. Hetsika karakarain’ny Madagascar Mozarteum, andraisan’i Fabio Rakotozanany, eo amin’ny fitendrena Piano, sy i Mino Rakotoarisoa, eo amin’ny fihirana.

 

Lasan’i Laurino Gourio ny amboara « Prix meilleur documentaire court » nandritra ny fifaninanana Silicon Valley African Film Festival natao tany Etazonia, ny faran’ny herinandro teo. Horonantsary fanadihadiana miisa 85, avy amina firenena 38, no nandray anjara tamin’izany fifaninanana izany.

 

Hifampizara sehatra eny amin’ny Bambou Logde Comedy Antsahavola i Mamy Ralijaona, Oryma Sarobidy, Lanja Babeine ary i Julio Laurice, ny takarivan’ny sabotsy 19 oktobra 2024. Izy efatra mirahalahy ireto izay anisan’ireo Malagasy mpanao hatsikana vao misandratra nefa manana ny maha izy azy ankehitriny.

 

Tanterahina ao amin’ny Carlton Anosy, rahampitso hariva, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana “Slam Poèsie”, nokarakarain’ny Commission de l’océan Indien, miaraka amin’ny fikambanana Madagaslam, ao anatin’ny tetikasa “Gouvernance, Paix, Stabilité”. Lohahevitra amin’izany fifaninanana  izany ny hoe “La jeunesse pour la paix et la stabilité “.

Partager sur: