Vangaindrano : nodorana ireo rongony 22 kilao

Nodorana nanoloana ny biraon’ny sefo distrika tao Vangaindrano ireo rongony 22 kilao, omaly maraina. Tra­tran’ ny zandary tany anaty ala Agnandrembahy, fokontany Morondava, kaominina No­sifeno Midongy Atsimo, ny 11 desambra teo, ireo zava-ma­hadomelina ireo. Voarohirohy tamin’io ny lehilahy 20 taona iray nitondra gony roa feno rongony. Natolotra ny fitsarana izy io taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana tany Atsimo Atsi­na­nana. Nogiazana tao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Midongy ny zava-mahadomelina hatramin’ny omaly ka izao nodorana izao. Nanatrika izany, ny so­lontenan’ny manam-pahefana any an-toerana. Nahitana ny lehiben’ny distrika Midongy, ny ben’ny Tanànan’i Nosife­no, Andranolalina ary Anka­zo­velo, ny sefo fokontany. Hanamafy ny ezaka ataon’ny fanjakana momba ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny lehiben’ny distrika Midon­gy. Niandraikitra ny raharaha ny zandary ao Atsimo Atsina­nana.

Mino (Mpianatra Asa)

Partager sur: