Fanamoriana fiarakodia : tompondaka i Faniry sy i Mahents

Norombahin-dRasoamaromaka Faniry sy Randriambolo­lona Mahenintsoa (Mahents), mpanamorin’ny klioba TFM sy Asacm, mitondra ny fiara Peugeot 208 T16, ny andiany faha-45 amin’ny “Grand Rallye international de Madagascar”. Dingana fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara notanterahina teto Antananarivo sy ny manodinana, ny 11 ka hatramin’ny 13 oktobra lasa teo, nokaraka­rain’ny ASA Tana, izy ity. Tontosan’izy mirahalahy tao anatin’ny 2 ora 14 mn 45, 1 s ny hazakazaka. Saika lasan’izy mirahalahy ireo avokoa ny ankamaroan’ireo dingana manokana “ES” notanterahina tamin’ity. Tonga teo amin’ny laharana faharoa i Mathieu sy i Andry Tahina, avy amin’ny Asacm. Tara 5 mn 34, 4 s taorian’ireo tompondaka ry zalahy. Fahatelo, i Daniel sy i Andy, mpamily avy amin’ny ASA Tana sy Asacm. 2 ora 27 mn 46, 8 s ny fe-potoanan-dry zalahy. Mpanamory 14 tamin’ireo 31 nandray ny fiaingana sisa no hany tonga hatramin’ny farany. Dingana manaraka ho an’ny mpifaninana ny rallye karaka­rain’ny AC 501, hatao ny 15 – 17 novambra ho avy izao sady mamarana ny taom-pilalaovana 2024.

Torcelin

Partager sur: