Tsy hita popoka, lanin’ny voay ny ankizivavy iray 14 taona, monina ao Vohilava, distrikan’i Farafangana, afakomaly hariva. Nilalao teo amoron-dranon’i Manampatra, kaominina Vohilava, distrikan’i Farafangana ireo ankizivavy maromaro tamin’io fotoana io. Nampandre ny manodidina ireo namany ireo fa lanin’ny voay ilay ankizivavy ka tsy hita ny misy azy. Nanamarina ny zava-nitranga, nifampiantso ny zandary tao Agnalafia sy ny any Mahavelo momba ity tranga ity. Nanao ny fikarohana avy hatrany izy ireo vantany tonga teo amin’ilay rano voatondro ho nanjavonan’ny ankizivavy. Hatramin’ny omaly, mbola tsy hita io ankizivavy io. Manohy ny fikarohana ny tompon’andraiki-pokontany ao an-toerana sy ny zandary.
Mino (Mpianatra Asa)