Foaran’ny fialamboly : hampivondronana ny karazana kilalao

Hotanterahina etsy amin’ny CCI Ivato, ny 2 sy 3 novambra izao, ny “Foaran’ny fialamboly”, andiany voalohany. Hetsika karakarakain’ny Ma­gic Land. “Natao hampiroboroboana ny sehatry ny fialamboly eto Madagasikara sy hampivondronana ireo olona misehatra amin’ny tontolon’ny fialamboly anaty tambajotra sosialy isan-karazany ny tsenabe”, hoy Rafehivola Fina­ritra, tomponandraikitry ny hetsika, nandritra ny fampahafantarana ny izany tamin’ny mpanao gazety tetsy Ana­lakely, omaly. “Hanamora ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ary hanolorana hetsika fialamboly ho an’ny sokajin-taona rehetra”, hoy kosa Emily Bouleau, mpikarakara sady tale jeneralin’ny Magic Land. Tanjona ny hampivondronana ny karazana kilalao misy eto amin’ny Nosy. Ankoatra izay, hetsika natao hampifaliana sy hahafahan’ny daholobe (lehibe sy kely) miara-miala voly eny an-toerana ihany koa.
Ho hita eny an-toerana avokoa ny kilalao rehetra, na ho an’ny lehibe na ho an’ny ankizy. “15 000 Ariary ny fidirana, mihoatra ny 70 ny karazana kilalao sy fialamboly ho hita eny an-toerana”, hoy hatrany izy. Varotana sy azon’ny rehetra jifaina eny an-toerana, mandritra ny hetsika, ny tapakila fidirana amin’ny foara.

Mino

Partager sur: