Federasion’ny taekwondo : mbola tsy nahazo «Code» iraisam-pirenena

Manana fikasana ny handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja taekwondo, sokajin-dalao “poomsae” na fihetsika mirindra, izay hatao any Hong Kong, ny 23 hatramin’ny 27 novambra ho avy izao, i Madagasikara. Hatramin’izao anefa ny Federasiona malaga­sin’ny taranja taekwondo WT (FMTKD) tsy mbola nahazo ilay «Code» iraisam-pirenena, araka ny vaovao voaray omaly.

Nomarihin’izy ireo koa fa io taratasy io ihany no ahafahan’ny Federasiona mandefa Malagasy atleta hifanintsana any ivelany. Raha tsiahivina, mbola mitana ity kaody ity, any ive­lan’i Madagasikara, ilay mpitantana ny FMTKD teo aloha. Raha ny nambaran’ity loharanom-baovao iray eo anivon’ny rafitra federaly ity, efa nalefa any amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ny resaka mahakasika izany.

Ankoatra izay, hotontosaina ny 30 oktobra – 1 novambra ho avy izao, any Mahajanga, ny fifanintsanana nasionaly. Tsara ny mampahafantatra fa efa nahavita fifanintsanana avokoa ireo ligy rehetra, raha toa ka miatrika izany avy hatrany kosa i Betsiboka, izay tsy ahitana afa-tsy klioba iray.

Fitia Randria

Partager sur: