Tsipy kanetibe – «Mondial 2024» : mpilalao 18 hifantenana ekipam-pirenena

Namoaka ny anaran’ireo mpilalao tsipy kanetibe miisa 18 mendrika indrindra hanaovana fifantenana izay ho ao anaty ekipam-pirenena mala­gasy ny Federasiona sport-boule malagasy (FSBM), ny alatsinainy teo. Tamin’ny ala­lan’ny fampahafantarana tao anaty tambajotran-tseraserany no nanaovany izany. Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hatao any Dijon Frantsa, i Madagasikara, ny 4 ka hatramin’ny 8 desambra ho avy izao. Raha ny voalaza, maro ireo masontsivana nangalana azy 18 mirahalahy ireo. Anisan’izany ireo fifaninanam-pirenena isan-tokony toy ny fiadiana ny ho tompondaka teo amin’ny olon-telo, olon-droa ary olon-tokana. Ny fihaonana nitetezam-paritra ka nahazoana isa. Teo koa ireo lalao iraisam-pirenena nandraisan’i Madagasikara anjara, tany Frantsa, toy ny “Estival” sy ny “Masters”.

Ankoatra ireo mpilalao eto an-toerana, misy mpilaravinahitra iray, Andriantseheno Christian (Racle), mipetraka any Frantsa, hiatrika ny fifantenana. Tsy anisan’ireo tazana ao anatin’ity lisitra ity i Tina (Tonnerre) sy i Toutoune. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fampivondronana. Tsy mbola fantatra ny toerana hanatontosana izany. Mpilalao efatra no ho voatazona farany hihazo an’i Frantsa, hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 izany.

Tompondaka

Partager sur: