Mifandefona ivoho indray

 

Hitsina ny resaka, vantanina ny tafa mba tsy hisian’ny ahiahy tsy hihavanana eto amin’ity firenena iaraha-manana ity. Sanganehana ihany mahita ny fivoaran’ny raharaha politika, ankapobeny. Toa milamindamina hafahafa izany. Toa mandeha tsy mandeha ny zava-drehetra. Raha tazanina avy ety ivelany, manodoka izay tsy izy. Rehefa tomorina anatiny anefa, toa sadasada manan-tsoratra fotsiny.
Gaga sy talanjona ny nahare sy nahita ny fikonokononana sahady amin’ny fanonganana ireo mpikambana amin’ny birao maharitry ny Antenimerampirenena, eny Tsimbazaza. Na tsy mbola izy rehetra aza izany dia vaka ihany ny saina. Vao telo volana aty aoriana ve dia efa homboy homboy sahady ilay natao hosana hosana tamin’ izany fotoana. Mahavarina sy mahagaga ilay filalaovana politika eto amin’ny tanàna.
Mipetraka ny fanontaniana amin’ny antony mahatonga ilay fikasana handrava ny efa : fa misy inona ? Raha ny valin-teny voaangona dia hoe : tsy mahafehy ny andrai­kitra ankinina aminy, miray tsikombakomba amin’ny mpanatanteraka mba hifehy ny andrimpanjakana mpanao lalana. « Dia gaga ianao ! », hoy ny fitenin-jatovo. Moa tsy izy mianakavy ihany no nifidy 100 % ireny olona ?
Tena mahatonga saina ny zava-misy. Mila fitandremana lehibe avy amin’ny mpitondra fanjakana. Zava-dehibe tsy azo tsinontsinoavina ny fahaizana tsy mifanitsaka an­draikitra. Toraka izany, ny fahaizana mifantina izay olona mendrika ny homen-tseza. Zavatra ilana fitandremana izany, indrindra manoloana ny karazana hodidina iainana ankehitriny. Tontolo anjakan’ny kolikoly !
Mainka manampy trotraka ny ady mangatsiaka amin’ ny samy mpanohana izay very anaram-boninahitra sy voatsipaka am-bavafo. Mifanipaka an-toerana toa valala an-karona. Tsy hay intsony iza no mandefona ivoho ao ! mila fahamailoana.

r.r

Partager sur: