Zavamananaina aty Afrika : nihena ho 76% tao anatin’ny 50 taona

Tandindimon-doza ireo karazan-javamananaina aty Afrika vokatry ny fahasimban’ ny toeram-ponenany. Mihoa-pampana ny fitrandrahana ataon’ny olombelona, ny fandotoana ary ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vo­kany, nihena 76% ny salan’i san’ny biby aty Afrika nanomboka ny taona 1970, araka ny tarehimarika navoakan’ny “Rapport Planète Vivante 2024”. Voalaza fa nihena 85% ny habetsaky ny biby anaty ranomamy tao anatin’ny 50 taona, nihena 69% ihany koa ny biby an-tanety raha toa ka nihena 56% ny biby an-dranomasina.
Nilaza ny WWF fa ho ringana ny rohivoara eto Afrika raha toa ka tsy misy ny fandraisana andraikitra. Antoky ny fahaveloman’ny zavamananaina sy ny fiainan’ny olombelona ny tontolo iainana. Noho izany, tandindomin-doza ny sakafo manoloana ny fitrandrahana mihoa-pampana sy tsy ara-dalàna ataon’ny olombelona. Ho ritra ny loharano samihafa. Ho marefo ny firenena raha miatrika ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ ny toetr’andro.

Andraikitra
Manara-maso ny zava-misy maneran-tany ny WWF. Araka ny fikarohan’ny “Inidice Pla­nète Vivante 2024”, nihena 73% ny salan’isan’ny bibidia narahi-maso rehetra tao anatin’ny 50 taona. Mampanahy hoy ireo mpikaroka ny fihenan’ny ha­rena voajanahary amin’ny ho avy. Manaitra ny rehetra mpikaroka fa zava-dehibe ny fiarovana ny zavamananaina.

Henintsoa Hani

Partager sur: