“Tana Reggae Night” : hahazo tombony ireo vao misandratra

Tanterahina anio hariva, eny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo ny “Tana Reggae Night”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fianara Reggae Festival sy ny Projet Ony. Mpanakanto maro mivoy ny gadona Reggae no handray anjara amin’izany. Anisan’izany ry Reggasy, 6Watt, Eka Zaho, Jah Roots, Malagasy Vibration ary Mashmanjaka. Fampisehoana Reggae ranoray izy ity. Ankoatra ny fanomezana fahafahampo ireo mpankafy ny gadona Reggae sy fanomezana sehatra ireo mpanakanto sy ny tarika miangaly izany gadona izany. Tanjona ny famerenena amin’ny toerany ny gadona Reggae eto Madagasikara.
Ambohi-pihaonan’ny mpankafy ny gadona Reggae indray ny eny amin’ny Jao’s Pub, anio. Tsiahivina fa ao anatin’ny ezaka famerenana ny maha izy azy ny gadona Reggae ireo mpiangaly izany amin’izao fotoana izao. Ny Reggae izay tsy gadona fotsiny fa kolontsaina sy fomba fiaina mihitsy. Izany indrindra no hikarakarana hetsika maro samihafa entina mampahafantatra izany. Anisan’izany ny “Reggae Day”, ny “Fianara Reggae Festival” ary ity “Tana Reggae Night” ity.

Lin

Partager sur: