Basikety – Road to ball: hidona amin’i Tanzanie anio ny ekipan’ny zandary

Hiaro ny voninahi-pirenena amin’ny Road to ball, taranja basikety, manomboka anio ny Gendarmerie Nationale Basket-ball Club (GNBC). Hidona amin’i Tanzanie, mpampiantrano ny mpilalaon’ny zandary, eo amin’ny fanombo­han’ity fifaninanana afrikanina ity.

Hanomboka amin’ity alakamisy ity, ao amin’ny kianja mitafon’i Dar-Es-Salam ao Tanzanie ny Road to ball, taranja basikety. Dingana voalohany amin’ny Basket-ball African League, ho an’ny so­kajy lehilahy. Anisan’ireo mandray anjara ary misolo tena an’i Madagasikara amin’izany ny GNBC (Gendarmerie Natio­nale Basket-ball Club).
Raha ny fandaharam-potoana, hidona voalohany amin’ity ekipa tompondakan’i Madagasikara ity, anio ry zareo JKT Stars, mpampiantrano. Tsy ekipa vaovao amin’ ny zalahy zandary akory ity klioban’i Tanzanie ity fa nifanandrina taminy, ny taona 2019, nandritra ny fifanintsananam-paritra. Hanala vela amin’ny JKT Stars amin’ity ny GNBC.
Hitohy rahampitso ny fifanintsanana ka hifampitana amin’ny Beau Vallon Heat-n’i Seychelles, indray ny GNBC. Fifandonan’ny samy ranomasimbe Indianina izy ity. Heverin’ ny rehetra fa tsy hahatohitra ny zandary ry zareo seiseloà. Manana tombony eo amin’ny fahazarana lalao goavana mantsy ny ekipa malagasy.
Hifanandrina amin’ny Nai­robi Thunder, ekipan’i Kenya ny zandary ny sabotsy ho an’ ny andro fahatelo ary ny lalao farany ny alahady, hikatrohana amin’ny Urunani avy any Burundi.
Marihina fa tafita hiatrika ny “Elite 16” ny roa voalohany isaky ny sokajy, amin’ity Road to ball, ity.
Tsiahivina fa tsy vao izao akory ny GNBC no hiatrika ity fifaninanana ity fa efa nandray anjara tamin’izany ny taona 2020. Izy ireo indray izany no handimby ny COSPN izay nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Tafita teo amin’ny “Elite 16” ny ekipan’ny polisy saingy nifarana teo ny diany.

Tompondaka

Partager sur: