Baolina kitra-GTA : 20 tapitrisa Ariary ho an’izay tompondaka

Notanterahina teny Ando­haranofotsy, omaly, ny antsapaka hahafantarana ireo klioba izay ho mpiray vondrona amin’ ny fifaninanana goavana eto Antananarivo (GTA). Lalao hanomboka ny sabotsy 19 oktobra hatramin’ny 3 no­vam­bra. Nambaran-dRa­kotoari­manana Henintsoa na i Maitre Tôta, filoha mpikarakara ny fifanintsanana, fa toy ny tamin’ ny taon-dasa ihany ny vola azon’ny mpandresy, izay mite­ntina 20 tapitrisa Ariary.

Klioba 16 no mandray anjara. Ahitana ekipa mifanin­tsana amin’ny Pureplay Foot­ball League (PFL) miisa sivy. Anisan’izany ny Disciples Fc, tompondakan’ny PFL sy ny GTA farany teo, ny CFFA Ando­haranofotsy, ny Cosfa, ny Usca­foot, ny Ajesaia, ny As Fana­lamanga, ny Elgeco Plus, tompon’ny amboaran’i Madaga­sikara Telma Coupe 2024 sy ny FC Avenir Ste Anne, laharana voalohany nandritra ny diviziona faharoa nasionaly, ary ny FC Rouge. Nomarihan’ ny mpikarakara fa nisy klioba iray niala an-daharana tamin’ ny ora farany. Mbola misy toerana iray ho an’izay maniry ny handray anjara. Hizara vondrona efatra ireto klioba 16 ireto, amin’ity andiany faharoa ity. Izay roa voalohany isam-bondrona no miakatra eo
amin’ny dingana manaraka. Raha ny fanazavana voaray, hatao eny amin’ny kianja CFFA etsy Iavoloha ny fifanintsa­nana isam-bondrona. Hatao eny amin’ny kianja Elgeco Plus, By Pass, ny ampahe­fa-dalana hatramin’ny famara­nana. Natao hanomanan’ireo klioba ny taom-pilalaovana vaovao ny GTA.

Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny 10 novambra ho avy io ny fifanintsanana nasionaly PFL.

Fitia Randria

Ireo mpiray vondrona

A : Toulon, Ajesaia, As Fanalamanga, CFFA Espoir
B : CFFA, Disciples Fc, Cosfa, Uscafoot
C : Net Foot, Fc Avenir Ste Anne, Fc Valence, Analamanga U20
D : Disciples Fc 2, Fc Rouge, Elgeco plus, (mbola tsy fantatra)

Partager sur: