Malala Andrialavidrazana: mampiranty ny kantony ao amin’ny Palais de Tokyo, ao an-drenivohitr’i France

Misongadina ao amina toeram-pampirantiana malaza maneran-tany indray ny sanganasan’ny Malagasy. Mizara ny « Figures » ho an’ireo mpitsidika ny Palais de Tokyo, ao Paris, i Malala Andrialavidrazana.

Tena hoe goavana. Tamba-tsary mahatratra 60 metatra ny lavany ary 6 metatra kosa ny lavany no harantin’i Malala Andrialavidra­zana, ao amin’ny Palais de Tokyo, ao Paris. Nisokatra omaly ny fampirantiana izay tsy hifarana raha tsy ny 5 ja­noary 2025. “Figures” no nampisalorany ny tamba-tsary, izay efa nantombok’i Malala Andrialavidrazana hatramin’ny taona 2015 no mankaty. Araka ny anarany, fampiarahana ka­razan-tsary marobe, ahitana sarin-tany, karatry ny paositra, hajia, vola tranainy, fonom-boky, boky tranainy, sy karazana tahiry samihafa ny “Figu­res”. Misy ireo tahirin-tsary efa tany amin’ny taonjato faha-19 sy faha-20, nampiarahany ta­min’ireo sary taty aoriana, mba hanome taratra ny fiovana apetraky ny taona mifandimby. Kisary izay maneho ny dingana ara-toekarena sy ara-politika, ny fandrosoana na fihemorana, ny fandresena na faharesena ihany koa izy ity. Azo itarafana ny tantara ihany koa ity sanganasan’i Malala Andrialavidrazana ity, ary izay no tena mahasarika ireo mpitsidika hamantatra ny fifandraisan’ny kisary tsirairay, mba hitarafana ny hafatra hampitain’ny mpanakanto.
Teratany malagasy, fa monina any Frantsa hatramin’ny fa­hakeliny i Malala Andrialavidrazana. Nandranto fahaizana mom­ba ny “architecture” izy. Tetsy andaniny, niroso bebe kokoa ta­min’ny zavakanto ihany koa i Malala. Efa nitana ny toeran’ny tomponandraikitry ny ivontoerana fampirantiana zavakanto tao Paris izy, avy eo nitrandraka manokana ny talentany. Anisan’ny tohin’ny fianarana nataony ny fikarohana momba ny fasana sy ny fomba fandevenana any Atsimo. Nirona tamin’ny saripika ary efa nandray anjara tamin’ny fihaonana momba ny saripika aty Afrika, tany Bamako izy, ny taona 2005. Namoaka ny “Ny any aminay” ny taona 2011, izay maneho ireo zava-misy marina aty Madagasikara. Nisesy ny fandraisana anjara amina fampirantiana iraisam-pirenena nanomboka teo ho an’i Malala. Nifantoka tamin’ny « Figures » kosa izy nanomboka ny taona 2015, izay niitatra tsikelikely ka tonga amin’izao fampirantiana goavan amina toerana manan-tantara izao.

Zo ny Aina

Partager sur: