Hanomboka ny 22 hatramin’ny 26 oktobra izao ny Herinandron’ny Havàtsa-Upem, 2024. Hisy, araka izany, ny hetsika ara-kolontsaina maro hanamarihana izany etsy amin’ny Efitrano Dox Tranombokim-pirenena Anosy. Hanasongadinana sy hanandratana bebe kokoa ny tontolon’ny haisoratra sy literatiora malagasy ny hetsika. Maro ny hetsika homarihana mandritra izany. Natokana sy hanasana ny rehetra ny hetsika rehetra mandritra ny herinandro, hisy ny resadresaka sy famelabelaran-kevitra amin’ireo mpanoratra momba ny asa soratra sy ny literatiora malagasy, raha ny fanazavana voaray. Ho an’ny talata, hisy ny lanonana fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny boky: “Tombokavatsa sy Tsipelina Fitsiahy”. Ho an’ny Alarobia Miverina, hisy ny resadresaka amin’ireo mpanoratra am-perinasa. Hisy ny seho an-tsehatra ataon’ireo andiany mikalo sy famoahana ny boky: Singo-panahy. Ho an’ny Alakamisy Manavàtsa, hisy ny seho an-tsehatra sy famoahana boky ataon’ny mpanoratra Ny Vetso. Izay ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 nanoratany. Ho an’ny zoma Misampana, hisy ireo seho an-tsehatra ataon’ireo sampana ao amin’ny fikambanana. Ho faranana amin’ny fitantarana sombintantara sy filalaovana ampahana tantara fisehatra ary fitantarana angano ny fotoana, mandritra ny sabotsy manan-tantara. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny 72 taona ny fikambanana ihany koa ny hetsika.
Mino