Beach -volley-Faritra fahafito : hampiantrano ny fifaninanana i Madagasikara

Nampahafatarin’ny Fede­rasiona malagasin’ny taranja volley-ball (FMVB), omaly, tetsy amin’ny Telma Andra­haro, fa hampiantrano ny fihodinana faharoa ny fifaninanana afrikanina, taranja volley ambony torapasika «beach-volley», aty amin’ny faritra fahafito, i Madagasikara. Fifanintsanana izay hotanterahina any Mahajanga, ny 27 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, ary ny sokajy Senior, lahy sy vavy, no hanao izany.
Ankoatra an’ i Madaga­sikara mpampiantrano, i La Réunion, Maurice, Seychelle, Mayotte ary i Comores no handray anjara amin’ity lalao ity. Ireo klioba tafita tamin’ny famaranana nandritra ny fifaninanana nasionaly izay natao tany Toamasina, ny 4-6 oktobra lasa teo, no hifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena.
Ankoatra izay, hotontosaina any Fianarantsoa, ny 26 oktobra – 3 novambra, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja volley-ball, sokajy zandriny U23. Ahitana solotenan’ny ligin’Analaman­ga, Atsimo Atsinanana, Atsi­nanana, Ihorombe ary i Ma­tsiatra Ambony, mpampiantrano ity fifaninanam-pirenena ity.
Ho an’ny vehivavy, miisa enina ny ekipa hifanintsana, raha mitovy amin’izay ihany koa ny lehilahy. Aorian’io, hisy ny fampiofanana mpanazatra ho amin’ny mari-pahaizana “niveaux 1”, eto Antananarivo, ny 5-9 novambra ho avy io. Miisa 54 ireo hiatrika izany, raha toa ka 45 ihany no fetr’isa takin’ny Federasiona iraisam-pirenena (FIVB). Ny mpampiofana avy amin’ny FIVB, Razafinjatovo Jean Honoré, no hitarika ny hetsika.

Fitia Randria

Partager sur: