SOMBIM-BAOVAO

Raha ady sahala ny lalaon’i Comores sy i Gambie, eo amin’ny andro fahefatry ny ady tapakila amin’ny «Can Maroc 2025», ka mandresy amin’ireo lalao roa farany ny Barea, dia tafita amin’ny Can indray i Madagasikara. Tsiahivina fa i Tunisie sy i Comores no miandry azy ireo.

Nosoloin’ny AS Ste Anne Espoir ny toeran’ny COSPN, amin’ny fifaninanana hiadiana ny amboa­ran’ny «Grand Tournoi d’Antananarivo». Raha tsiahivina, ny ekipan’ny Elgeco Plus de Madagascar, no hifanintsana amin’izy ireo, eny amin’ny kianja CFFA Iavoloha, ny alahady 20 oktobra ho avy izao.

Hitohy ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Malacam Antanimena, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, federaly II, taranja Rugby, «XXL Top 20». Hanokatra ny lalao eny an-toerana amin’izany ny fifanandrinan’ny CRAI Ambalavao sy ny AFA Ankazomanga.

Hitohy mandritra ny taom-pilalaovana roa ny fifanarahan’i Luis Enrique, espaniola mpanazatra sy ny klioba frantsay Paris Saint Germain (PSG). Araka ny fikarohana natao omaly, hitohy hatramin’ny volana jona, taona 2027 izany fifanarahan’ny roa tonta izany. Tsiahivina fa tsy mbola nahazo ny Ligue des Champions mihitsy ny PSG.

Partager sur: