« Salon de l’auto » : nozaraina ny loka fiara, moto, finday

Natao, omaly, ny fizarana ny loka tombola SMS, natao nandritra ny hetsika «Salon de l’auto» ny 10 hatramin’ny 13 oktobra teo, teny amin’ny CCI Ivato. Nikarakara azy ny Vondrona mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao eto Madagasikara (GCAM), niaraka tamin’ny mpiara-miombon’ antoka samihafa.

Nahatratra 29 033 ny mpi­tsidika sady afaka nandray anjara tamin’ny tombola. Ha­fa­kely ny fomba nahazoana ny loka ho an’ireo olona telo tsara vintana. Fiara miisa 8 no nisafidian’i Aly Asgar iray ho azy, nahazo ny voalohany. Nahazo ny faharoa, Ratsimandresy Alfred Niaina Jimmy, ka moto roa no nosafidiany, tamin’ireo 10 naseho azy. Finday avo lenta kosa ny fahatelo, azon-dRabearisoa Rijanirina. Nilaza i Aly Asgar fa sms fito no nalefany nandraisana anjara ta­min’ny lalao, ka izao nahazo ny voalohany izao izy.
Notsorin’ny filohan’ny GCAM, i Fréderic Schaffner, fa afapo tanteraka tamin’ity an­di­any faha-14 ity, satria nahatratra 30 000 ny mpitsidika. Ezahina foana ny hanatsarana kokoa ny hetsika izay hatao isaky ny 2 taona.

Njaka A.

Partager sur: