Fandraharahana : miara-midinika ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina

Hanatsara ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara ny dinika ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Voaresaka ny tomban’ezaka sy ny fanamby.

Fifanakalozana. Natao teny Ambodivona, om­a­ly, ny dinika fahafito ho an’ny fifanakalozan-kevitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina (7ème table ronde économique) momba ny fandraharahana eto Mada­gasikara. Nifantoka betsaka tamin’ny tomban’ezaka sy ny fanatsarana atao ary ireo fanamby apetraka ny diniky ny roa tonta. “Voafaritra nandritra ny dinika ireo laharam-pahamehana hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fomba hisarihana ireo mpampiasa vola eto amintsika”, hoy ny tale jeneralin’ny Economic Development Board of Mada­gascar (EDBM), Rafidy Josielle. Nahafahana namaritra ireo lohahevi-dehibe ho an’ny sehatra tsy miankina ny fifanakalozana. Voaresaka ihany koa ny mahakasika ny tetikasa fitaratra hanitarana ny seranan-tsambon’i Toama­si­na. Ankoatra izay, napetraka ny komity mpanara-maso sy mpandrindra ny fitantanana ary hijery ireo vahaolana hanatsarana sy hanafainganana ny famoahana entana eny anivon’ny fadintseranana. Nahomby tanteraka ny fomba fiasa. Satria, mihena enina andro ankehitriny ny famoahana ireo entana raha toa ka nahatratra 11 andro izany teo aloha.

Famatsiam-bola

Hifarimbonan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny fampiroboroboana ny famatsiam-bola eto Madagasi­kara. «Hahafahana miara-mijery ireo dingana iaraha-manao sy hanatsarana ny fampiasam-bola eto amintsika ny fifanakalozan-kevitra toy izao», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampi­ro­boroboana ny indostra sy ny varotra, Ranoelimanana Vahinisoa. Voaresaka manokana ny hanamafisana ny rafitra teknika misy ny Clim Invest iarahana amin’ny vondrona eoropeanina sy ny sehatra tsy miankina. «Nivoitra nandritra izany koa ny hevitra iraisan’ny rafi-panjakana sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina mahakasika lohahevitra iray», hoy ny tale jeneralin’ny EDBM. Aorian’izay vao miroso amin’ ny dinika ny roa tonta, araka ny fanazavany.

Henintsoa Hani

Partager sur: