Tosika ho an’ny e-commerce : misokatra ny Orange Shop

Manakaiky sy manome fahafaham-po ny mpanjifa hatrany ny Orange Madagascar. Nampahafantarina omaly, tetsy Soarano, ny Orange Shop eo anivon’ny tranokalan’ny www.orange.mg. Tolotra hahafahan’ireo mpanjifa mividy finday sy kojakoja isan-karazany ary tolotra samihafa ana habaka eo anivon’ny orinasa Orange Madagascar manerana ny Nosy. « Tsy voatery hanatona botika Orange intsony ireo mpanjifa fa manao fangatahana ao amin’ny tranokala dia azony ny entana tiany ho vidiana. Atao izany mba hiarovana ny mpanjifa sy hisorohana amin’ny fisolokiana amin’ny endriny samihafa », hoy ny tomponandraikitry ny Orange Madagascar, Ratsimbazafy Harimbola.
Mampiavaka ny Orange Shop ny fananany ireo tolotra mampiavaka azy sy ny fanavaozana entiny hahafahana mividy entana amin’ny alalan’ny fampiasana ny niomerika “e-commerce”. Mahazo tombony kokoa ireo mampiasa ny tolotra. Maimaimpoana ny fanaterana ny entana ary tsy atahorana ny kalitaon’izany. “Afaka misafidy ny toerana hanaterana ny entana ny mpanjifa, azony alaina eny anivon’ny botika Orange ihany koa izany aorian’ny kaomandy ataony”, hoy kosa ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Frédéric Debord. Nomarihiny manokana fa hiparitaka manerana ny faritra ny fanaterana ireo entana raha hanombohan’azy ny eto Antananarivo.

Henintsoa H.

Partager sur: