Mahaleo Taranaka: manoritra tsikelikely ny lalany

Nahazo ny tsodranon’ny raiamandreny. Telo taona teo izay no niara-dalana tamin’ny tarika Mahaleo ny taranaka. Zanak’ireo mpikambana ao amin’ny tarika ihany ny ankamaroan-dry zalahy. Nano­trona hatrany an’i Bekoto sy i Dama, nanohy ny “Revy Mahaleo” izy ireo. Taorian’ny tsodrano avy amin’izy mirahalahy Mahaleo mbola velon’aina, manoritra tsikelikely ny lalany amin’izay ny Mahaleo Taranaka. Izay no anarana isalorany, ary efa nanomboka ny andiam-pampisehoana ry zalahy.
Maharo zanak’i Dama, Rôrô zanak’i Charle, Rado zanak’i Fafah, Pôpôly zanak’i Bekoto ary i Benaivo zanak’i Nônô. Manampy azy ireo an-tsehatra i Bibs eo amin’ny saxophone sy i Tojo Gui­ta­riste, mifandimby amin’ny gitara sy ny gitara beso. Ireo ry zalahy no nahazo ny tso­drano hanohy ny “Revy Mahaleo”. Raha ny tsikaritra tany Toamasina, roa herinandro lasa izay, i Bekoto sy i Dama indray no nanotrona ny Mahaleo Taranaka. Ireto farany kosa mamaly babena amin’ny fameloma-maso ireo hira tsy tontan’ny ela.
Tsy mbola lafatra, ary tsy hitovy intsony tamin’ny andro mamiratry ny tarika Mahaleo akory ny hataon’ny Mahaleo taranaka. Na izany aza, tsikaritra ny ezaka entin-dry zalahy mampiaina indray ilay “Revy Mahaleo”, efa nitoetra 52 taona izao. Efa manana mpankafy mahatoky ny Mahaleo Taranaka, ankoatra ireo efa mpankafy Mahaleo hatrizay. Voaporofo izany tamin’ny seho faran’ny herinandro teo, tany amin’ny Naturia Palm Ambohibao. Hiaka-tsehatra etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo indray ry zalahy, anio amin’ny 8 ora alina. Aorian’izay hihazo an’i Frantsa hanatontosa ilay “Fanomezam-boninahitra an’i Dadah” ry ny Mahaleo Taranaka.

Zo ny Aina

Partager sur: