Basikety –“Road To Bal” : mora ho an’ny GNBC ny nandresy ny BVH Seychelle

Nahazo fandresena faharoa, nandritra ny fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, ny Gendarmerie nationale basket-ball club (GNBC), omaly, tany Tanzanie. Resin’ny GNBC, 98 no ho 72 , ny BVH avy atsy Seychelles.

Mitohy vakana ny fa­hombiazana ho an’ny ekipan’ny zandary GNBC, omaly, tamin’ny fifanintsanana taranja basikety, “Road To Bal”, sokajy lehilahy, izay tontosaina any Tanzanie. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 98 no ho 72, indray ny ekipa avy atsy Seychelles, Beau Vallon Heat (BVH), omaly, tao amin’ny Kianja mitafon’i Dar-Es-Salam.
Raha fintinina ny fifanandrinan’ny roa tonta, nanindry tanteraka tamin’ny teknika sy ny tanjaka ny Malagasy mpilalao. Teo amin’ny folo minitra voalohany ihany, «1ère Quart-temps (QT)» no nitarika 21 no ho 14, ry zareo seyseloa. Nie­zaka nanenjika ny isa ny GNBC nandritra ny QT faharoa, ka lasa nitsimbadika ny isa teny amin’ny solaitrabe, nitarika 34 no ho 33 indray ny zandary mpilalao. Io isa io ihany koa no nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nanomboka nampiseho ny heriny amin’izay ry Elly sy ny namany, ka lasa 67 no ho 56 ny isa, tamin’ny QT fahatelo. Tsy nijanona teo anefa ny isa fa mbola niampy izany nandritra ny folo minitra nilalaovana farany, ka niafara tamin’ny 98 no ho 72 ny fifanandrinan’ny roa tonta.
Tsara ny mampahatsiahy fa ity no fandresena faharoa, azon’ny GNBC. Niondrika teo anatrehan’izy ireo, 89 no ho 72, ny klioba mpampiantrano ny fifaninanana JKT Stars, ny alakamisy lasa teo, tao amin’io kianja io ihany.
Hifandona amin’ny Nairobi Thunder
Taorian’izay lalao roa izay, hiatrika ny fihaonana fahatelo amin-dry zareo kenianina, Nairobi Thunder (Nat), indray ny solontenan’i Mada­ga­si­kara, anio, any an-toerana ihany. Araka ny fikarohana natao, nomontsanin’ny Nat, tamin’ny isa mavesatra 89 no ho 58, ny BVH Seychelles, nandritra ny andro voalohan’ ity fifanintsanana ity. Tsiahi­vina fa izay roa voalohany amin’ity “Road To Bal” ity no miakatra Elite 16.

Fitia Randria

Partager sur: