Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny lanonam-pankalazana ny faha-60 taona nisian’ny cité akany Sambatra Itaosy. Fotoam-pivavahana sy fandraisam-pitenenana ary fitokanana tsangam-bato no nanamarihana izany. Nitohy tamin’ny hetsika maro samihafa, toy ny karazam-pampirantiana momba ny tantaran’ny toerana. Nisy ny fanentanana sy hetsika ara-kolontsaina sy fampisehoana avy eo. Nanafana ny lanonana tamin’izany ireo mpanakanto maro avy eto amin’ny Nosy. Tonga niara-nifaly tamin’ny fanamarihana ny fankalazana koa ireo mponina eny an-toerana. Nofaranana tamin’ny alim-pandihizana miavaka kosa ny fankalazana tamin’io andro io. «Natao tao anatin’ny fifankatiavana sy firaisankina tanteraka ny fanatanterahana ny hetsika, izay anisan’ny mampiavaka ny eny an-toerana», hoy ny tomponandraikitra.
“Cité des assureurs” ny niantsoana io toerana io tany am-piandohana satria mpiasa misehatra amin’ny trano fiantohana avokoa no hita tamin’izany. «Nivoatra izany taty aoriana ary niova nanaraka izay ihany koa ny fanorenana sy firafitry ny trano tsirairay avy», hoy i Gina Rabemazava. 250 teo ny tokantrano nisy teny an-toerana tany am-piandohana. Efa nitombo be kosa izany amin’izao fotoana noho ny fandrosoan’ny taona sy ny mponina.
Mino