Fampisehoana tsy fahita firy! «Comédie musicale» izy io. «Ny hiran’i Therack no tena hibahana ao anatin’ny fandaharam-potoana. Nahoana moa no natao comédie musicale ? Satria ny hirany mihitsy no mirafitra ho théâtre. Nanoratra pièces théâtrales rahateo izy», hoy Ratsifa. «Eto ry Lala», seho hotanterahina ao amin’ny Havoria auditorium Anosy, ny 27 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany folakandro.
Ny tarika Ny Voamaintilany no hampahatsiahy indray ireo sanganasan’i Therack Ramamonjisoa. Eo ihany
koa i Benny sy i Voara. Elanelanin’ny antsa tononkalon’i Avelo Nidor sy Ratsifa. Anisan’ny hampiavaka ity fampisehoana «Eto ry Lala» ity ny fandraisan’anjaran’ireo taranak’i Therack Ramamonjisoa amin’ny hira. Izy ireo rahateo no manolotra sy mikarakara ny seho.
Raha tsiahivina, anisan’ny nanoratra tantara filalao eny an-tsehatra nanana ny lazany i Therack. Anisan’ireny ny «Kilalaon’afo», «Rabemangahazo»… Ho fahatsiarovana ny faha- 50 taona nahafatesan’i Therack sy ny faha-40 taona nahafatesan’i Joseph Ramanakamonjy (hosodoko) no ikarakaran’ireo taranany ny fampisehoana «Eto ry lala» sy atrikasa arahina fampirantiana hosodoko.
HaRy Razafindrakoto