Taranja tsy mba ahitana mpilalao mpilaravinahitra ny Makis de Madagascar. Na misy aza, mahalana ary zara raha miakatra kianja fa saika mpanafana seza izy ireny. Ankehitriny, mila mpilalao lava sy ranjanana ary mavesa-danja ny rugby malagasy raha te handeha lavitra.
Samy mbola mitsakotsako ny vokatra azon’ny Makis Ladies tany amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany D3, natao tany Dubaï, avokoa ny rehetra ankehitriny. Tsy fotoana fanakianana intsony izao fa fanaovana tomban’ezaka sy hibanjinana ny ho avy. Samy miaiky ny rehetra fa mahay rugby ny Malagasy saingy kosa tsy ampy vatana. Fantatry ny mpifanandrina io lesoka io ka araraotiny.
Mitodika any amin’ny Malagasy rugby ny mason’ny rehetra. Fotoana izao hijerena mpilalao avy any ivelany, manam-batana sy mahay. Ekena fa efa naka ihany ny Makis Ladies, saingy niaraha-nahita fa mitovy habe amin’ny mpilalao avy eto an-toerana ihany ka tsy nampihontsona akory ny mpifanandrina. Zara koa fa nahazo fotoana niakarana kianja fa nalaina ho mpanafana seza fotsiny.
Raha te handeha lavitra ny Makis de Madagascar, tsy maintsy maka mpilalao avy any ivelany. Mila mampirina ny hambompo ny rehetra fa izay hahatsara ny vokatra no atao. Betsaka ny mpilalao manana zom-pirenena roa any ivelany ka azo atao tsara ny mifampiresaka amin’izy ireo.
Manao izany koa ireo mpifanandrina
Niarahana nahita fa na ireo mpifanandrina amin’ny Makis aza maka mpilalao ivelan’ny fireneny. Anisan’izany ry zareo Afrikanina tatsimo. Eo koa i Namibie sy i Zimbawe, lehilahy. Manantena ny mpankafy ny rugby fa hiroso amin’izany ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby ka ho tena mpilalao matihanina ary hita any anaty fifaninanana goavana no halaina hanatevina ny ekipa. Tsy ho mpilalao mitovy habe na kely noho ny eto Madagasikara fa lava sy ranjanana ary mavesa-danja.
Tsiahivina fa efa niroso tamin’izany fakana mpilalao any ivelany izany ireo taranja sasany. Anisany ny Ankoay eo amin’ny taranja basikety. Teo koa ny Barea de Madagascar. Nanafangaro ireo mpilalao avy eto an-toerana sy any ivelany izy ireo ka ireny niaraha-nahita ireny ny vokatra.
Inoana fa betsaka ireo zanaka malagasy mpilalao rugby mielim-patrana manerana an’izao tontolo izao vonona ny hanatevina ny Makis.
Tompondaka