Notontosaina, ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy Iavoloha, ny andro voalohany hiadiana ny amboaran’ny « Grand Tournoi d’Antananarivo (GTA) ». Nisongadina tanteraka tamin’ izany ny fandresena azon’ny AS Ste Anne Espoir, 2 no ho 1, nanoloana ny Elgeco Plus, tompon’ny amboaran’i Madagasikara farany.
Tsara fanombohana, tamin’ity fifanintsanana ity ihany koa, ny FC Avenir Ste Anne, izay klioba vaovao tafita hiatrika ny “Pureplay Football League”, amin’ity taom-pilalaovana ho avy ity. Resin’izy ireo 2 no ho 1 ihany koa ny ekipa voafantin’Analamanga U20.
Ankoatra izay, resin’ny Disciples FC, tompondaka farany teo tamin’ny PFL sy ny GTA, 2 no ho 1, ny klioban’ny Uscafoot. Tazana teny an-kianja niaraka tamin’ny Disciples FC, nandritra ity fihaonan’ny roa tonta ity, i Donga, mpilalaon’ny Fosa Junior Boeny teo aloha.
Raha tsy misy ny fiovana, hitohy ny alarobia sy ny alakamisy ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny andro faharoan’ny GTA.
Fitia Randria