Fandresena roa sy faharesena roa no vokatra azon’ny GNBC Madagasikara tamin’ity fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, ity. Ratsy ny vokatra azon’izy ireo, omaly. Nomontsanin’ny Urunani Burunid, 112 no ho 56, ry zareo.
Tsy tafita any amin’ny Elite 16 i Madagasikara.Vokatra ratsy no namaranan’ny ekipa zandary GNBC, ny fifanintsanana “Road To Bal”, izay tontosaina any Tanzania. Nahazo faharesena indroa nisesy izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina, lavon’ny Nairobi Thunder Kenya, tamin’ny isa 96 no ho 60, ny ekipa malagasy, ny sabotsy lasa teo. Mbola nomontsanin’ny Urunani avy atsy Burundi, 112 no ho 56, koa ry zareo omaly.
Raha ny lalao omaly, hita fa manantombo tanteraka tamin’ny teknika ny borondey mpilalao. Teo amin’ ny 10 minitra voalohany “1ère quart-temps (QT)”, efa nitarika 29 no ho 14 ry zareo. Tsy nahatohitra mihitsy ny Malagasy, ka lasa 60 no ho 26, ny isa teny amin’ny solaitrabe, nandritra ny QT faharoa. Io isa io, nentina niala sasatra.
Mbola nampiseho ny heriny ny Urunani, tamin’ny fidirana faharoa (3ème sy 4ème QT), nataon-dry zareo nihoatra ny zato ny isa azony. Nifarana 112 no ho 56 ny fifanandrinan’ny roa tonta. Niondrika teo anatrehan’ireo borondey ny solontenan’i Madagasikara, GNBC.
Raha ho fintinina ny zava-bitan’ny GNBC tamin’ity fifaninanana ity, fandresena roa sy faharesena roa no azon’izy ireo. Raha tsiahivina, lavon’izy ireo 89 no ho 72, ny klioba mpampiantrano, JKT Stars Tanzanie, nandritra ny andro voalohany. Teo amin’ny faharoa, noresen-dry Elly sy namany, 98 no ho 72, ny Beau Vallon Heat (BVH) avy atsy Seychelles.
Tsiahivina fa izay roa voalohany amin’ity “Road To Bal” ity no miakatra Élite 16.
Fitia Randria