Rugby – «Top 12 Mada»: Tsy nahatohitra ny Cosfa ny TFA Anatihazo

Nitohy teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Ma­da­gasikara, taranja rugby “Top 12 Mada”. Voahaja hatreto ny lojika, mbola manjaka sy misongadina hatrany ireo ekipa lehibe, anisan’izany ny Cosfa (Bebaoty) izay nandavo ny TFA Anatihazo (Pilo kely), tamin’ny isa 53 no ho 22. Noporofoin’ny miaramila in­dray ny maha andrarezina azy ireo. Natanjaka rahateo ny Cosfa tao anaty “avant”, notarihin’i Maxime. Niady ny fizaram-potoana voalohany, izay nisarahan’ny roa tonta tamin’ny isa tery, 10 no ho 9, ka nitarika ny Bebaoty.
Nanokatra ny isa ny Cosfa teo amin’ny minitra faha-15, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanana nataon’i Ginot ary voatsara. 7 no ho 0 ny isa teo. Niezaka nanindry ny TFA ka nahafaty “hors jeu” telo nisesy ka nitarihany tamin’ny isa 9 no ho 7. Efa tany amin’ny 5 mn tsy hialana sasatra vao nihoaran’ny Cosfa izany, rehefa nahafaty “hors jeu” ihany koa izy ireo. Fizaram-potoana faharoa, nanindry ny miaramila ka mbola nahatsara “hors jeu” sy “essai”, lasa 27 no ho 9. Tsy nijanona intsony izany baolina matin’ny Cosfa izany, hatramin’ny farany ka nahalasa ny isany ho 53.
Tetsy ankilany, nahavita “essai” ihany koa ny TFA saingy efa be ny elanelana teo amin’ny roa tonta. Teo amin’ireo vokatra hafa, Mang’Arts nanilika ny Savony, tamin’ny isa 31 no ho 24, Ankadifotsy nandavo ny Cheminots, 41 no ho 11.

Tompondaka

Partager sur: