Fitaterana ana habakabaka: hiara-miasa amin’i Madagasikara ny Rwandair

Hisokatra tsy ho ela amin’ny firenena rwandais ny lanitr’i Madagasikara, ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny fitaterana ana habakabaka ary ny fampandrosoana ny toekarena.

Atao sonia tsy ho ela ny fifanarahana eo amin’i Madagasikara sy ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Rwandair. Voa­resaka izany nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ra­monjavelo Valery, sy ny masoivohon’i Rwanda, Em­manuel Hategeka, ny herinandro teo. Vonona hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena sy ny sehatry ny fizahantany eo amin’ny firenena roa tonta ireo tomponandraikitra. Ham­pivelatra ny firenena malagasy amin’ny fifandraisana amin’ny firenena hafa ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Rwandair. Tafiditra ao anatin’izany ireo fifanakalozana ara-barotra, ny sehatry ny fandraharahana ary ny fampiroboroboana ny fizahantany. Ankoatra izay, nidinika tamin’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, ihany koa ity diplaomaty ity. Nifantoka tamin’ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ny fihaonana. Eo koa ny fiaraha-miasan’ny minisitera roa tonta ary ny fanomanana ny “Eductour” hisarihana ireo mpizahatany Rwandais ho avy eto amintsika. Notsindrina manokana ny hanamorana ny fahazoana « visa » hampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eo amin’ny firenena roa tonta.

Toekarena

Vina ho an’ny fampandrosoana ny ara-toekaren’i Ma­dagasikara ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Rwanda. Hojerena manokana ny fampiasam-bola sy ny fifanakalozana ara-barotry ny roa tonta. Ankoatra izay, mikasa ny hikarakara iraka ara-toekarena (mission économique) eo amin’i Rwanda sy Madaga­sikara ity masoivoho vao voatendry hiasa eto amintsika ity sy ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ho an’ny fampiroboroboana ny toekarem-pirenena.

Henintsoa Hani

Partager sur: