VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra hatramin’ny 100 miliara Ar ny vola miditra amin’ny Jirama isam-bolana raha toa ka eo anelanelan’ny 140 ka hatramin’ny 170 miliara Ar ny fandaniana ataony. Noho izany, tsy maintsy manohana ara-bola ny Jirama ny fanjakana. Mivarotra herinaratra amin’ny fatiantoka ny orinasa satria 22 cents/KWh, izany hoe, 1000Ar ny vidin’ny famokarana, raha amidy 12 cents na 550Ar/Kmh izany.

Tafakatra 17 000 taonina ny cacao tsara kalitao naondran’i Madagasikara ny taona 2023, raha 6 000 t izany ny taona 2015. Nitombo avo telo heny ny vokatra tao anatin’ny 10 taona noho ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance (PIC) ». Nanampy tamin’ny famokarana ny tetikasa ka nampiorina toerana misy aloka mirefy 4 000m2 any Ambanja, antony nahavokarana fototra cacao mihoatra ny 10 000 isa isan-taona.

Miisa 172 ny orinasa afakaba misehatra amin’ny lamba sy ny fanodinana sakafo miasa ara-dalàna manerana ny Nosy. Manan-danja eo amin’ny lafiny ara-toekarena ny fisian’ny faritra sy orinasa afakaba (ZEF). Natao mangarahara tamin’ny sehatra tsy miankina ny dingana arahina hisitrahana ireo karazana fahazoan-dalana omen’ny fanjakana. Firenena mandray ny vokatra sy ny entana vokarintsika i Etazonia sy Eoropa.

Partager sur: