Niverina sa naverina ny marimarina kokoa ny hery manokana eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Raha nalaza « ratsy » tamin’ny ady toerana ny kolonely roa lahy, mpinamana, saingy nifamadika ny hery manokana na ny FIS tamin’ny tetezamita dia am-perinasa izany ny hery vonjy taitra manokana GFSI, izay efa nankalaza ny tsingerin-taonany voalohany.
Asa hanao ahoana ny ho vokatra fa raha ny anarana fotsiny dia efa mamono lolo. Mainka manaitra sy mahavelombolo fa halefa hiady amin’ny mpaka an-keriny ry zalahy ireto, izay Tafika madiodio. Raha ny fiofanana narahana sy ny lalan-tsaina nametrahana azy dia heverina fa anaty fotoana fohy dia hisy vokatra ho azo tsapain-tanana.
Mahafinaritra ny finiavana sy ny fitondrana hevi-baovao, fa na izany aza mba mipetraka ihany ny fanontaniana: Midika fa tsy mahomby ve izany ny rafitra isan-karazany efa napetraka ao anatin’ny hery manokana ho an’ny filaminam-bahoaka na FDS? Ity farany izay efa midina an-tsaha hatramin’ny polisim-pirenena, tokony hisahana manokana ny tanàn-dehibe. Tsy sanatrian’ny vava tsy fahatokisana ny efa miasa ve izany?
Tia vao ilay Malagasy! Apetraka avokoa ity rafitra vaovao isan-karazany ity, izay efa misy misahana sy tomponandraikitra. Sanatrian’ny vava manao volo mpanoha randrana, na manamavo ilay fanapahan-kevitra fa mba misy ihany ny lojika. Tsy ny rafitra rahateo no olana ho an’ity Madagasikara ity fa ny olombelona sy ny fomba fiasa izay efa lo noho ny kolikoly sy kitranoantrano.
Raha fitandroana ny filaminana sy ny fakana an-keriny no atao resaka dia tsy ilana « komando » ny fandravana ny dahalo ambony latabatra izay mampitarazoka an’io! Asa anefa a!? Tsy hiseho mahay alohan’ny tompony fa aleo ny vokatra sy ny asa vita no ifampitsarana.
Randria