TARATRY ny KANTO

Hankalaza ny faha-35 taona nikorianan’ny peniny Ny Vetso. Ny alakamisy 24 oktobra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy no hanatanterahana izany. Amin’io fotoana io koa no hanolorany amin’ny fomba ofisialy ilay boky « 365 andro tonga lafatra » ho tsangambaton’ny faha-35 taona. Hanafana sy handravaka ny hetsika ny hakanton’ny feon’i Entsou sy ny angolam-baliha sy lokangan’ireo zaza kamboty tezaina ao amin’ny Orphelinat kids hope ary ny feon-gitaran’i Sahaza Ankasitrahana.
Mitohy hatrany eny amin’ny AFT Andavamamba ny fampirantiana « Chroma » iarahana amin’ny fikambanana Plum’Art, ivondronan’ireo mpanao sary matihanina. Ankoatra ny rantin-tsary izay nahasarika olona maro, misy ihany koa ny atrikasa momba ny fanaovana sary sokitra, hosodoko, sns.
Nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny fitokanana ny Maison Ony, ivontoerana iray natao hanohanana sy hampiroboroboana ireo tetikasan-javakanto maro samihafa eto Madagasikara. Finiavana avy amin’i Orelsan, Frantsay mpanakanto, izy ity ary notohanan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, niarahana tamin’ny masoivoho frantsay.
Nitarina hatramin’ny 1 janoary 2025 ny fara-fisoratana anarana amin’ny fifaninanam-pirenena “Literatiora 2024”. Tsiahivina fa sokajy 3 no hifaninanana dia ny tantara foronina, tantara an’onjampeo ary amboaran-tononkalo. « Ny ady amin’ny fanolanana » sy « Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana » no lohahevitra iompanan’ny asa soratra rehetra hifaninana. Misokatra ho an’ny rehetra kosa ny fifaninanana.

Partager sur: