Tanjona ny hahatongavan’ny mpizahatany 1 000 000 amin’ny taona 2028. Mila homanina koa ny fotodrafitrasa, toy ny fampitomboana ny efitrano fandraisam-bahiny.
Tanjona lehibe napetraky ny fanjakana, hotanterahin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny hisarihana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Misy ny paikady napetraka hanatrarana io tanjona io. Nambaran’ny minisitra (MTA), i Dewa Viviane, fa anisan’ny hitondra fiovana lehibe ny fisokafan’ny zotra ana habakabaka mivantana Antananarivo-Dubaï, satria inefatra isan-kerinandro ny sidina miantoka izany ataon’ny kaompania Emirates, hitondra mpandeha an’arivony. Mila fotodrafitrasa sahaza, afaka mandray izany vahiny izany anefa, toy ny fahatongavan’ny mpandraharaha Mohamed Alabbar, tompon’ny Vondrona orinasa Emmar avy any Emirats Arabo Mitambatra (EAU) farany teo teto amintsika.
Vonona ity orinasa ity ny hanangana hotely fandraisam-bahiny lehibe eto Madagasikara. Nohamafisin-dRtoa minisitra fa hampiana 11 500 ny efitrano fandraisam-bahiny eto amintsika.
Vondrona Marriott
Efa eto Madagasikara ny vondrona hotely lehibe iraisam-pirenena, toy ny Accor, ny Radisson Blue, ny Novotel, …. Eo am-pikarakarana ihany koa ny vondrona Marriott international, orinasa iraisam-pirenena voalohany amin’ny hotely fandraisam-bahiny 10 na «Top 10» maneran-tany, izay manana vola kirakiraina 23,24 miliara dolara ny taona 2023.
Nohazavain’ny minisitra Dewa Viviane fa dingana hanatrarana io tanjona io ny hahatongavan’ny vahiny 500 000 amin’ny taona 2025, ary ho avo roa heny, ho 1 000 000, ny taona 2028.
Ankoatra ny fizahantany, misy ny paikady mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny asa tanana, satria miankindoha amin’ny fizahantany ihany koa ity sehatra ity. Misy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny hafa, toy ny fitaterana, ny fitandroana ny fandriampahalemana, ny tontolo iainana, sns.
Njaka Andriantefiarinesy