Fibre’in: tolotra internet mora indrindra aty Afrika

Manome tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa indray ny orinasa Telma. Sahaza ny daholobe sy ny olon-tsotra ny «Fibre’ in», ampiasana internet amin’ ny alalan’ny tambajotra «fibre optique» (F.O) amin’ny sarany mora, 49 000Ar, ahazoana tanjaka 100 GO isam-bolana. Notsorin’ny administratera tale jeneraly (ADG), Patrick Pisal Hamida, omaly, fa mora indrindra aty Afrika sy eto Madagasikara ity tolotra ity. Mahatratra 80 tapitrisa euros isan-taona ny fampiasam-bolan’ny Telma, hanatsarana hatrany ny fi­vo­aran’ny teknolojia niomerika.
Miisa efatra ny tambajotra Fibre Optique iraisam-pirenena mankaty Madagasikara. Mahatratra 12 000 km ny F.O avy amin’ireo avy any ivelany ireo, ka misandrahaka manerana an’i Madagasikara. «Tombanana ho 5 tapitrisa ny Malagasy mampiasa herinaratra, ka azo vinavinaina fa afaka misitraka, mampiasa, ny internet ihany koa», hoy ihany ny ADG, Patrick Pisal Hamida.

Njaka A.

Partager sur: