Mitohy ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha ao amin’ ny fadintseranana malagasy. Anisan’izany ny tetikasa «Mandroso», tohanan’ny Fiaraha-miasa amerikanina (Usaid) amin’ny alalan’ny fandaharanasam-pampandrosoana (Pnud), hanarahana ny fenitra iraisam-pirenena ny ladoany. Nomena ny teny filamatra hoe: «fanavaozana manaraka ny toetrandro ny fadintseranana, hitondra fitomboana ara-toekarena». Tanjona ny fitantanana mangarahara, sahaza ny rehetra.
Miisa 2 000 ny mpandraharaha hisitraka ny tetikasa, eto Antananarivo, Toamasina, Mahajanga, Toliara, Antsirabe, Antsiranana ary Nosy Be.
Natsangana ny Vaomiera filankevitra sy tantsoroka ho an’ ny orinasa, hanamafisana ny fampitam-baovao, hahalalan’ny manan-draharaha ny dingana amin’ny ladoany. Anisan’ny tombontsoa amin’ny tetikasa «Mandroso» ny fahazoan’ny mpandraharaha ny satan’ny mpandraharaha ara-toekarena nahazo fankatoavana (OEA).
Njaka A.