Sehatra tsy miankina: Nampahafantarina ny CEO Summit

Hotanterahina eto Antananarivo, ny 5 sy 6 desambra ho avy izao, ny CEO Summit, hetsika ara-toekarena miavaka. Nampahafantarina tany Maorisy, ny 14 sy 15 oktobra lasa teo, ity fihaonana an-tampony ity, ary ny 16 sy 17 oktobra, ny tao amin’ny Nosy La Réunion.
Natokana ho an’ireo mpandraharaha avy eto Madagasikara sy ny faritry ny ranomasimbe Indianina ity fihaonana an-tampony isan-taona ity, izay mikendry ny hampivondronana mpanapa-kevitra maherin’ny 500, ahitana tale jeneraly sy mpampiasa vola 350. Manomana ny fandraisan’ izy ireo anjara amin’ny CEO Summit ireo delegasiona samihafa manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao, izay mampivondrona seha-pihariana isan-karazany: ny indostria, ny fitantanam-bola, ny fahasalamana, ny angovo azo havaozina, ny informatika, ny fitaterana, ny fizahantany, ny fambolena, ny toekarena manga, sns.
Horesahina mandritra ny hetsika ireo fanamby ara-toekarena, tontolo iainana sy teknolojia. Tafiditra ao anatin’izay ny sehatry ny indostria, indrindra ny fanamafisana ireo fifanarahana ara-barotra eo amin’ireo fitrandrahana akora samihafa.
Ankoatra ireo vondron’ny mpandraharaha isan-tsokajiny, vonona hanohana ny hetsika ireo mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny solontenan’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), ny Cap Business Ocean Indien, ny Business Maurice, ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (MCCI) ao Maorisy, ny Carrefour des entrepreneurs de l’ocean Indien, sns
Mikendry ny hampiroborobo ny fanavaozana, ny fiaraha-miasa stratejika ary ny fiantraikany tsara eo amin’ny toekarena isam-paritra ny CEO Summit. Hifanandrify amin’ny faha-65 taonan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim) ity andiany voalohany ity.

Partager sur: