Fiarovana ny tontolo iainana: miantso ny hampiharana ny SPANB ny WWF

Firenena anisan’ireo na­nai­ky ny hampitsahatra sy hanova ny fahaverezan’ny tontolo voajanahary mialoha ny taona 2030, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny cadre mondial pour la biodiversité de Kunming-Montréal en 2022, i Madagasika,. Noho izany, tokony haneho fahavononana ara-politika sy hanolotra paikady sy drafi-pirenena ho an’ny karazan-javamananaina (SPANB) azo tanterahina ireo firenena mba hiatrehana ireo olana samihafa manjo ny planetantsika », hoy ny WWF Madagascar. Nohamafisiny fa miankina amin’ny dimy taona manaraka ny hoavin’ny fiainana eto an-tany ka mitaky ezaka iombonana lehibe ny fiarovana ny tontolo iainana. Ilaina ny fampiharana ny SPANB mba hiarovana ny natiora sy ny toetr’andro. Kendrena ao anatin’izany ny hampihenana ny fandaniambe maneran-tany, ny hampitsaharana ny fahaverezan’ny karazan-javamananaina ary hampihenana ny fivoahan’ny entona manimba tontolo iainana izay atao amin’ny fomba mirindra sy ara-drariny.
Ankilany, miantso ny governemanta sy ny orinasa ny WWF mba hampitsahatra haingana ireo asa misy fiantraikany ratsy amin’ny karazan-javamananaina sy ny toetr’andro. Notsindriany manokana ny hamadihana ny fampiasam-bola manimba ny tontolo iainana ho an’ireo karazana hetsika entina hiarovana sy hikajiana ny rohivoahary ka ahafahana manatratra ny tanjona iraisam-pirenena.

Nanatontosa : Henintsoa H.

Partager sur: