Cosafa sokajy vehivavy : hifandona voalohany amin’ i Madagasikara i Maorisy

Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ity fifaninanana ara-panatanjahantena, vehivavy, ho an’ny firenena aty amin’ny faritra Atsimon’i Afrika ity, i Madagasikara. Ao amin’ny vondrona « B » no misy azy ireo.

Hotanterahina manomboka anio, any Afrika Atsimo, ny fifanintsanana baolina kitra, sokajy vehivavy, Cosafa 2024. Araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny komity mpikarakara ny fifaninanana, rahampitso no hiakatra kianja ny Barea de Madagascar, izay hifanintsana ao amin’ny vondrona « B ». Ry zareo nosy rahavavy, Maurice, no hifandona amin’izy ireo mandritra ny andro voalohany.
Eo amin’ny andro faharoa kosa, hihaona amin’i Malawi ny ekipam-pirenena malagasy. Amin’ny lalao farany, hifanandrina amin’i Botswana ny Barea. Tsara ny mampahafantatra fa ireo voalohany isan-tsokajy ihany no tafita any amin’ny dingana manaraka, ka hiatrika ny manasa-dalana avy hatrany.
Marihina fa hifarana ny 2 novambra ho avy izao ity fifaninanana Afrikanina ity.

Manarina ny ratsy

Fanamby goavana ho an’ny Barea, vehivavy, ity Cosafa ity. Tamin’ny taona lasa, tany Afrika Atsimo ihany, nandray anjara tamin’izany ny vehivavy malagasy mpilalao. Ratsy ny vokatra azon’izy ireo, faharesena telo tamin’ireo lalao telo natao no vitan’ny ekipa nasionaly. Fotoana iray ity hahafahan’ireo mpilalao 23 mirahavavy, nantsoin’i Portez l’Hydrensia sy Ramiara­ma­nana Haingo­malala Ninette, mpanazatra an’i Madagasi­kara, hanarenana io lesoka io.
Araka ny fikarohana natao, eo amin’ny faha-190, laharana navoakan’ny Fifa ny Barea, sokajy vehivavy, raha toa ka faha-194 i Maurice.

Fitia Randria

Partager sur: