Échecs : tompondakan’i Afrika Andriatahina Serge

Notontosaina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ampitain-davitra na “en ligne”. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny Malagasy mpilalao échecs, Andriatahina Serge. Efa ela nilona teo amin’io taranja io i Serge, ka ankoatra ny maha filohan’ny ligin’Alaotra Mangoro azy dia nilalao an-taonany maro tao amin’ny Chess Club Moramanga koa ny tenany. Isa 5 no azon’i Serge nandritra ity fifaninanana afrikanina ity ary nahatafapetraka azy eo amin’ny laharana voalohany. Teratany egyptiana, i Adriano Leopoldo no nahazo ny laharana faharoa taorian’i Serge. Tsiahivina, Malagasy telo no nisolo tena an’i Madagasikara nandritra io fifaninanana io, nahitana an-dRakotonirina Jean Olivier, Randriambololona Jaona ary Andriatahina Serge. “African chess online for people with disability” no anarana nampitondraina ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika nampitain-davitra ity.
Eo amin’ity taranja ity hatrany, hotontosaina ny 1 hatramin’ ny 3 novambra izao ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara isam-bondrona. Fifaninanana hatao eto Antananarivo, izay hamaranana ny taom-pikatrohana 2024 ho an’ny Federasiona malagasin’ny lalaon-tsaina Echecs.

Mi.Raz

Partager sur: