Handball – «Mada Sénior 2024» : niala an-daharana ny Asco Toliara

Ekipa iray goavana no tsy miatrika ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja handball, sokajy Sénior, ny Asco Toliara. Tsy tonga ihany koa ny CHM Boeny teo amin’ny lalao voalohany tokony ho nataony, omaly.

Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Sénior, lahy sy vavy. Fifaninanana tanterahina etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Tsy anisan’ireo ekipa miatrika izany ny Asco Toliara, eo amin’ny sokajy lehilahy. Raha ny fantatra, manana olana eo amin’ny enti-miatrika ity fihaonana nasionaly ity ry zalahy ka efa nandefa taratasy tany amin’ny Federasiona malagasin’ny handball (FMHB), ma­nambara ny fialany an-daharana.
Ankoatra izay, tsy tonga niatrika ny lalao voalohany tokony ho nataony ihany koa, omaly, ny CHM Boeny. Tsy nisy filazana ny amin’ny tsy fandraisany anjara anefa avy any amin’ity ekipan’ny faritra andrefana ity. Raha ny fandaharam-potoana, tokony hifanandrina amin’ny AS ST Michel, ry zalahy ireto.
Andro voalohany kosa ny an’ny vehivavy, ka anisan’izany ny an’ny Ascaf Anala­manga sy ny Sofia Misôma. Nisaraka ady sahala 18 no ho 18 ny roa tonta. Niady hatramin’ny farany ny lalao. Nitarika tamin’ny isa 4 no ho 0 ny ekipan’Analamanga no niakatra tsikelikely ny Sofia ka nihoarany mihitsy teo am-pialan-tsasatra, 11 no ho 9. Ani­san’ny nisongadina tao amin’ity ekipan’i Sofia ity ry Erline, Theresa ary i Aurelie, teo amin’ny famonoam-baolina.
Fizaram-potoana faharoa, nifandimbiasana ny nitarika ny isa. Tany amin’ny 1 mn tsy hiravana, nitarika 18 no ho 17 ny Sofia saingy hain-dry Zaidah sy Arphine ny nanararaotra ny fitavozavozana kely teo amin’ny Sofia ka nanasahalan’izy ireo ny isa.
Hitohy anio ny fifanintsanana, ka lalao lalao 4 eo amin’ny sokajy lehilahy ary 2 ho an’ny vehivavy.

Tompondaka

Partager sur: